Epistily nosoratan'i Jakoba 2:11
Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 2
Cross References
Exodus 20:13Aza mamono olona.
Leviticus 4:13Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
Deuteronomy 5:17Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Matthew 5:21Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
Mark 10:19Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
Romans 13:9Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.