Bokin'ny Eksodosy 20:13
Aza mamono olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 20
Cross References
Genesis 9:5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Exodus 21:14Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ ny namany hamono azy amin’ ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
Exodus 21:29Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
Numbers 35:16Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
Deuteronomy 19:11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
2 Kings 21:16Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak’ i Manase be dia be mandra-pamenony an’ i Jerosalema rehetra, ho fanampin’ ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah.