Epistily nosoratan'i Jakoba 3:6
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 3
Cross References
Genesis 3:4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
Numbers 25:2Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Judges 16:15Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ ny herinao lehibe.
2 Samuel 13:26Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
2 Samuel 16:20Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.