Bokin'i Jeremia 1:18
Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Cross References
Jeremiah 6:27Ho mpizaha toetra ao amin’ ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
Jeremiah 20:11Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!
Jeremiah 26:12Dia nilaza tamin’ ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ ity trano sy ity tanàna ity.
Jeremiah 34:20dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 37:7Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
Jeremiah 38:18fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.