Bokin'i Jeremia 1:17
Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 3:12Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’ Andriamanitra eto amin’ ity tendrombohitra ity ianareo.
1 Kings 18:46Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
2 Kings 9:1Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin’ ny zanakalahin’ ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Jeremiah 23:28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
Ezekiel 2:6Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.