Bokin'i Jeremia 1:9
Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Cross References
Exodus 4:15Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
Deuteronomy 18:17Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
Isaiah 6:6Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’ afo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ ny ny tandra avy teo amin’ ny alitara.
Isaiah 50:4Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
Isaiah 59:21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Jeremiah 15:19Koa izao no lazain’ i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,