Bokin'i Jeremia 10:20
Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 10
Cross References
Job 7:8Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
Isaiah 49:20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Isaiah 51:18Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
Jeremiah 4:20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
Jeremiah 31:15Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.
Lamentations 2:4Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ ny lain’ i Ziona zanakavavy.