Bokin'i Jeremia 11:23
Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin’ ny mponina ao Anatota Aho amin’ ny taona hamaliana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 11
Cross References
Jeremiah 5:9Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Jeremiah 6:9Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ ny Isiraely; Avereno ho amin’ ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.
Jeremiah 11:19Fa izaho dia tahaka ny zanak’ ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ ny tanin’ ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
Jeremiah 44:27Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, izay atỳ amin’ ny tany Egypta, dia ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
Jeremiah 48:44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
Hosea 9:7Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.