Bokin'i Jeremia 44:27
Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, izay atỳ amin’ ny tany Egypta, dia ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 44
Cross References
Jeremiah 1:10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Jeremiah 21:10Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
Jeremiah 44:12Ary halaiko ny sisa amin’ ny Joda, izay nikiry hankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
Ezekiel 7:6Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.