Bokin'i Jeremia 15:6
Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 15
Cross References
Psalms 78:38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Isaiah 28:13Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
Jeremiah 2:13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
Jeremiah 2:19Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jeremiah 6:19Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
Jeremiah 8:5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin’ ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin’ ny fitaka izy ka tsy mety miverina.