Bokin'i Jeremia 17:1
Ny fahotan’ ny Joda dia voasoratra tamin’ ny fanoratana sy tamin’ ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ ny vato fisaka sy eo amin’ ny tandroky ny alitarany izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 17
Cross References
Leviticus 4:17ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, dia eo anoloan’ ny efitra lamba.
Job 19:23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!
Proverbs 3:3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
Jeremiah 11:13Fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao, Ary araka ny isan’ ny lalamben’ i Jerosalema no isan’ ny alitara naorinareo ho an’ ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.
Hosea 8:11Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
2 Corinthians 3:3eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.