Bokin'i Jeremia 18:9
Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 18
Cross References
Jeremiah 1:10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Jeremiah 30:18Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.
Jeremiah 31:28Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
Jeremiah 32:41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.