Bokin'i Jeremia 18:10
Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
Read all of Bokin'i Jeremia 18
Cross References
Numbers 14:22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
Numbers 14:34Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
1 Samuel 13:13Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
1 Samuel 15:35Ary Samoela tsy namangy an’ i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an’ i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an’ i Saoly ho mpanjakan’ ny Isiraely.
Jeremiah 7:23Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Ezekiel 33:12Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.