Bokin'i Jeremia 19:11
ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Dia torotoroy eo imason’ ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
Read all of Bokin'i Jeremia 19
Cross References
Isaiah 30:14Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
Jeremiah 7:32Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
Jeremiah 19:6Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
Lamentations 4:2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!