Bokin'i Jeremia 21:10
Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary henoy ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny taranaky ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny.
Read all of Bokin'i Jeremia 21
Cross References
Leviticus 17:10Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
Leviticus 26:17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
Psalms 34:16Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Jeremiah 26:6dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.
Jeremiah 32:29Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
Jeremiah 34:22Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin’ ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin’ ny afo; ary ny tanànan’ ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.