Bokin'i Jeremia 34:22
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin’ ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin’ ny afo; ary ny tanànan’ ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 34
Cross References
2 Kings 24:2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isaiah 24:12Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
Isaiah 45:1Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Jeremiah 2:15Hamely azy no ampieronan’ ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.