Bokin'i Jeremia 22:3
Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
Exodus 22:22Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
Leviticus 19:15Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
Deuteronomy 24:7Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Deuteronomy 25:1Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ ny fitsarana ary tsarain’ ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2 Samuel 23:3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;