Bokin'i Jeremia 23:11
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
2 Chronicles 33:5Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
Jeremiah 5:31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?
Jeremiah 7:10Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
Jeremiah 8:10Ary noho izany dia homeko ho an’ ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an’ izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
Jeremiah 23:15Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.