Bokin'i Jeremia 23:31
Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Behold, I am against the prophets, saith the LORD, that use their tongues, and say, He saith.
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
Deuteronomy 18:20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
2 Chronicles 18:5Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr’ Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
2 Chronicles 18:19Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
Jeremiah 23:17Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
Jeremiah 28:17Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.