Bokin'i Jeremia 24:1
Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 24
Cross References
Deuteronomy 26:2dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
2 Kings 24:12Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.
Jeremiah 13:19Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
Jeremiah 22:28Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
Jeremiah 29:2(rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
Ezekiel 19:9Ary nataony tamin’ ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.