Bokin'i Jeremia 25:35
Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the shepherds shall have no way to flee, nor the principal of the flock to escape.
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Isaiah 2:12Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Jeremiah 32:4ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
Jeremiah 37:17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
Jeremiah 38:23Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ ny afo.
Jeremiah 52:8Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Ezekiel 17:15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?