Bokin'i Jeremia 26:18
Mika Morastita dia naminany tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao tamin’ ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: “Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.”.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
2 Kings 19:25Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
Psalms 79:1Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.
Jeremiah 9:11Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan’ ny vavan’ i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
Jeremiah 51:37Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
Micah 3:12Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.