Bokin'i Jeremia 26:19
Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
Exodus 32:14Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
Numbers 35:33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
2 Chronicles 29:6Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan’ i Jehovah.
2 Chronicles 32:25Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan’ ny fahatezerana izy mbamin’ ny Joda sy Jerosalema.
2 Chronicles 34:21Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.
Isaiah 37:1Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,