Bokin'i Jeremia 26:8
Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
2 Chronicles 36:16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Jeremiah 2:30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Jeremiah 12:5Raha niara-nihazakazaka tamin’ ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana?
Jeremiah 20:1Ary Pasora, zanak’ i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, raha nandre an’ i Jeremia naminany izany zavatra izany,
Jeremiah 20:8Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
Amos 7:10Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,