Bokin'i Jeremia 29:18
Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 29
Cross References
Leviticus 26:33Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
1 Kings 9:7dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
2 Chronicles 29:8Ka dia nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan’ ny masonareo izao.
Isaiah 65:15Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
Jeremiah 18:16Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.