Bokin'i Jeremia 31:34
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Isaiah 11:9Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
Isaiah 30:26Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Isaiah 33:24Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
Isaiah 44:22Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Isaiah 54:13Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.