Bokin'i Jeremia 31:5
Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
Deuteronomy 20:6Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
1 Samuel 21:5Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
Isaiah 62:8Jehovah efa nianiana tamin’ ny tànany ankavanana, dia tamin’ ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin’ ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Isaiah 65:21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
Amos 9:14Ary hampodiko ny Isiraely avy amin’ ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
Micah 4:4Fa samy hipetraka eny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa niteny.