Bokin'i Jeremia 31:6
Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
2 Chronicles 13:4Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
Ezra 1:5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 27:13Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.
Isaiah 52:7Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Jeremiah 6:17Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.