Bokin'i Jeremia 33:14
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ ny aranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 33
Cross References
Genesis 22:18ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
1 Chronicles 17:13Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ ilay nodiasanao;
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Jeremiah 23:5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Jeremiah 31:27Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
Jeremiah 32:38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.