Bokin'i Jeremia 36:1
Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 36
Cross References
2 Kings 24:1Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
Jeremiah 25:1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
Jeremiah 45:1Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe: