Bokin'i Jeremia 45:1
Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
Read all of Bokin'i Jeremia 45
Cross References
Jeremiah 25:1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
Jeremiah 32:12dia natolotro an’ i Baroka, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, teo imason’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, sy teo anatrehan’ ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ ny trano fiambenana.
Jeremiah 36:1Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
Jeremiah 36:4Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
Jeremiah 36:14Dia nirahin’ ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak’ i Netania, zanak’ i Selemia, zanak’ i Kosy, ho any amin’ i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin’ i Baroka, zanak’ i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
Jeremiah 36:32Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an’ i Baroka mpanoratra, zanak’ i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin’ ilay horonan-taratasy nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.