Bokin'i Jeremia 36:10
Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 36
Cross References
2 Samuel 20:25ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
2 Kings 18:37Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Jeremiah 26:10Fa nony ren’ ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka nankany amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan’ ny vavahady vaovaon’ i Jehovah.
Jeremiah 29:3dia ilay teny nampitondrainy an’ i Elasa, zanak’ i Safana, sy Gemaria, zanak’ i Hilkia, izay nirahin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona, ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao hoe:
Jeremiah 36:6fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan’ ny vahoaka ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro fifadiankanina ny tenin’ i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ ny vavako, ary vakio eo anatrehan’ ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ ny tanànany koa.
Jeremiah 36:11Ary nony ren’ i Mikaia, zanak’ i Gemaria, zanak’ i Safana, ny tenin’ i Jehovah rehetra tamin’ ny boky,