Bokin'i Jeremia 38:16
Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’ i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ ireto olona mitady ny ainao ireto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 38
Cross References
Numbers 16:22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
Ecclesiastes 12:7ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.
Isaiah 57:16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
Jeremiah 37:17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
Zechariah 12:1Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ ny tany ary mamorona ny fanahin’ ny olona ao anatiny:
Hebrews 12:9Ary koa, isika dia nanana ny rain’ ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ ny fanahy, ka ho velona isika?