Bokin'i Zakaria 12:1
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ ny tany ary mamorona ny fanahin’ ny olona ao anatiny:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 12
Cross References
Genesis 2:7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Job 26:7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
Psalms 104:2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
Psalms 136:5Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Isaiah 40:12Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
Isaiah 42:5Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ izay mandeha eo aminy: