Bokin'i Jeremia 43:7
ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 43
Cross References
2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Jeremiah 2:16Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
Jeremiah 42:21Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin’ izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
Jeremiah 46:14Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.