Bokin'i Jeremia 43:9
Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
Read all of Bokin'i Jeremia 43
Cross References
2 Samuel 12:31Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
Isaiah 20:1Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,
Jeremiah 18:2Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
Jeremiah 25:19ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
Ezekiel 4:1Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
Hosea 12:10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.