Bokin'i Jeremia 44:21
Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ ny Joda sy tany an-dalamben’ i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ ny vahoaka, moa tsy hotsarovan’ i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 44
Cross References
1 Kings 17:18Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
Isaiah 64:9Tonga efitra ireo tanànanao masìna, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
Jeremiah 14:10Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak’ i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.
Jeremiah 44:17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
Ezekiel 16:24dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
Hosea 7:2Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.