Bokin'i Jeremia 44:22
Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian’ ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 44
Cross References
Genesis 6:3Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
Genesis 19:13fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’ i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Psalms 107:33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
Isaiah 7:13Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
Jeremiah 5:9Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?