Jeremiah 46:21
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
Proverbs 15:17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Isaiah 34:7Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
Jeremiah 46:5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
Jeremiah 46:15Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.