Bokin'i Jeremia 48:1
Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Genesis 19:37Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ ny Moabita mandraka androany.
Numbers 32:3Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
Numbers 33:47Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin’ ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’ i Nebo.
Isaiah 15:1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Isaiah 25:12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.