Bokin'i Jeremia 48:10
Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’ i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Joshua 10:19fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
1 Samuel 15:3Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’ osy, na rameva, na boriky.
1 Samuel 15:13Ary Samoela tonga teo amin’ i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah aho.
2 Kings 13:19Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Jeremiah 50:25Novohan’ i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan’ ny fahatezerany; Fa misy hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.