Bokin'i Jeremia 50:25
Novohan’ i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan’ ny fahatezerany; Fa misy hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Psalms 45:5Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
Isaiah 13:5Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
Isaiah 14:22Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary hofoanako ny anaran’ i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
Isaiah 46:10Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
Jeremiah 50:15Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian’ i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
Jeremiah 51:11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.