Bokin'i Jeremia 48:18
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Genesis 21:16Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
Numbers 21:30Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
Joshua 13:9dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
Judges 15:18Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
Isaiah 15:2Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Jeremiah 46:18Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.