Bokin'ny Mpitsara 15:18
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 15
Cross References
Genesis 12:12ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
Genesis 32:31Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
Judges 14:3Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ ny zana-kavanao, na ato amin’ ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
1 Samuel 17:26Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
1 Samuel 27:1Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
Psalms 3:7Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.