Bokin'i Jeremia 48:25
Voakapa ny tandrok’ i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The horn of Moab is cut off, and his arm is broken, saith the LORD.
In Context
24Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’ i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Job 22:9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
Psalms 37:17Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
Lamentations 2:3Nokapainy tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan’ ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an’ i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
Daniel 7:8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
Daniel 8:21Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
Zechariah 2:1Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.