Bokin'i Jeremia 48:34
Ny fitarainan’ i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon’ i Nimrima aza dia ho ritra koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Genesis 13:10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Numbers 32:36sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
Isaiah 15:4Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
Jeremiah 48:5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.