Bokin'i Jeremia 5:10
Miakara eo amin’ ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an’ i Jehovah izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
11Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah.
Cross References
2 Kings 24:2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Jeremiah 2:21Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
Jeremiah 5:18Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
Jeremiah 7:4Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.