Bokin'i Jeremia 50:19
Ary hampodiko ho any amin’ ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan’ i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Numbers 32:1Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
Joshua 17:15Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ ny tanin’ ny Perizita sy ny Refaïta, fa terỳ loatra aminao ny tany havoan’ i Efraima.
Song of Solomon 6:5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada.
Isaiah 35:2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
Jeremiah 3:18Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
Jeremiah 24:6Fa hojeren’ ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.