Bokin'i Jeremia 51:11
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
1 Kings 11:23Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
2 Chronicles 36:22Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Perisa, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Psalms 74:3Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa.
Isaiah 10:26Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, hamely azy amin’ ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
Isaiah 21:2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Isaiah 41:25Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.