Bokin'i Daniela 5:23
fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary noho izany dia Izy no nihavian’ ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
Cross References
Genesis 2:7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Judges 16:23Ary nivory ireo andrianan’ ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’ i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
1 Samuel 17:26Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
2 Kings 14:10Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Job 31:4Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
Psalms 104:29Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,